TOETRY NY ANDRO

Hiakatra kely ny maripana anio


  • Alakamisy 04 Jolay 2024

Tena niaina tao anatin’ny hatsiaka tanteraka isika teto an-drenivohitra tato anatin’ny herinandro izao.

Tafidina hatrany amin’ny 9°C ny maripana amin’ny maraina raha toraka izay ihany koa ny hariva. Tsy vitsy ireo voatery nanampy akanjo mafana sy lamba firakotra noho izany. Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby dia somary hiakatra kely io maripana io anio Alakamisy 04 Jolay. Mety ho tonga hatrany amin’ny 15°C ny ambany indrindra. Na izany aza dia nambaran’izy ireo fa mbola hitoetra hatrany ilay rivotra mangatsiaka ateraky ny varatraza saingy somary hihamalefaka ihany koa. Efa mifarana araka izany ny fanadinam-panjakana BEPC vao mihamafana ny andro. Tsiahivina moa fa mpiadina iray no tratry ny aretin-kibo ny Alatsinainy maraina teo tany Betafo teo am-panaovana fanadinana vokatr’izay herin’ny hatsiaka diso tafahoatra izay.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT