Na dia tsy mbola tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina aza isika eto Madagasikara
ankehitriny dia efa miaina anaty hatsiaka sahady. Noho ny hery entin’ilay rivotra mangatsiaka alizay no anton’izany izay mbola hahazo vahana mandritra ny telo andro, manomboka anio alarobia 20 mey. Handrivotra foana ny andro eto afovoan-tany araka izany miampy ny morontsiraka avaratra-atsinanana sy avaratra-andrefana. Mila miomana amin’ny akanjo mafana, sakafo mafana sy ara-pahasalamana hatrany araka izany ny rehetra entina hisorohana ireo karazan’aretina mety haterak’izany toy ny gripa, ny kohoka….Fotoana tena tian’ny tsimok’aretina coronavirus ihany koa ny vanim-potoanan’ny hatsiaka tahaka izao hoy ny mpitsabo ka tokony samy hitandrina ny tsirairay avy. Tokony ho ampy adin’ny 8 isan’andro ny torimaso, miezaka mihinana sakafo mitondra hafanana sy hery fiarovana raha tsy latsa-danja amin’izany ny voankazo sy ny legioma izay tokony hisy karazany 5 isan’andro raha kely. Mbola tsy voafaritra mazava moa hatreto ny fotoana hiantombohan’ny ririnina eto amintsika hoy hatrany ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby. Mbola ao anatin’ny vanim-potoana manasara-taona isika izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.