TOETRY NY ANDRO

Ahiana ho lasa rivo-doza ilay andro ratsy


  • Alakamisy 02 Mey 2024

Nitombo hery ka nivadika ho andro ratsy na depression tropicale ilay tangoron-drahona ao Avaratry

ny lakan-dranon’i Mozambika raha ny vaovao azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro omaly Alarobia 01 May hariva. Tany amin’ny 585 km Avaratra Andrefan’Antsiranana no nisy ny foibeny ohatra tokony ho tamin’ny 04 ora folakandro tany ho any ka 55 km isan’ora ny rivotra entiny arahina tafiotra 75 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Ahiana hitombo hery ary hivadika ho rivo-doza moa ity andro ratsy ity ato anatin’ny ora maromaro izay efa nahazo anarana Hidaya. Na izany aza anefa dia tsy hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara ny fisiany. Antony mahatonga ilay ranon’orana mitsitaitaika teto an-drenivohitra omaly kosa ny tosiky ny tsiokan’ny Varatraza izay mitoetra, tranga iainan’ny mponina hatrany amin’ny Faritra Atsinanan’ny Nosy. I Hidaya noho izany no mety ho rivo-doza fahafolo handalo ny fari-dranomasin’i Madagasikara raha toa ka mivadika ihany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy hisy fiantraikany eto Madagasikara ity andro ratsy ity amin’ny ankapobeny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT