Actualités

Toetr’andro Mivoatra ny rivodoza Dingani sy Freddy


  • Talata 14 Febroary 2023

Misy rivodoza miisa 2 dia i Dingani sy Freddy mivoatra any amin’ny ilany atsinanan’ny Ranomasimbe Indianina amin’izao fotoana izao,

hoy ny fampitam-baovaon’ny sampana mpamantatra toetr’andro na “Météo Madagascar” mikasika ny vinavinan’ny toetr’andro manomboka ny 14 hatramin’ny 19 febroary 2023, omaly. Mbola tsy hisy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara ny fisian’izy ireo amin’ity herinandro ity. Arahi-maso akaiky kosa ny ho fivoaran’i Freddy manomboka amin’ny faran’ny herinandro. Hitoetra any avaratra andrefana sy ny ilany andrefan’ny nosy ny oram-baratra. Hiitatra amin’ny faritra maro manerana ny nosy izany amin’ny faran’ny herinandro. Ho maina amin’ny ankapobeny ny ilany atsinanan’ny nosy. Hanorana tandrifin-drahona mety arahin-kotroka any Diana, Sofia, Boeny, Melaky, Menabe, Atsimo andrefana ary Bongolava. Tombanana hiverina ny oram-baratra ho an’ny afovoan-tany sy ny ilany atsimo atsinanan’ny nosy manomboka ny Alakamisy izao. Hisy fiakarana kely ny maripana ambony indrindra saika manerana ny faritra maro eto Madagasikara. Manodidina ny 12 - 26°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 23 - 36°C ny tolakandro, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT