Actualités

Toetr’andro miovaova be Mitombo ireo tsy salama, ilaina ny sakafo be otrik’aina


  • Alatsinainy 03 Aprily 2023

Nitombo hatrany amin’ny 20% ireo olona marary tonga manatona mpitsabo tato anatin’ny iray volana teo ho eo izao,

raha araka ny fanadihadiana natao tamina ivon-toeram-pitsaboana iray. Ankoatra ireo voan’ny sery sy ny gripa mahery izay lasa mivadika ho tazo mihitsy dia tsy vitsy ireo mikohoka sy marary kibo. Raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo Mandimbison Rija dia vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro no antony mahatonga izany. Mangatsiaka ny maraina, mafanabe amin’ny atoandro ary manorana raha vantany vao hariva ny andro. Betsaka ireo vatan’olombelona tsy mahazaka izany raha araka ny fanazavany hatrany ka ilana tohana avy amin’ny alalan’ireo karazan-tsakafo be otrik’aina. Tokony ho hita ao anatin’izany ireo sakafo ahitana ny sokajy telo dia ny proteina ahitana ny hena sy ny trondro, ny gliosida toy ny vary sy ny katsaka ary ny lipida. Tafiditra ao anatin’ireo ny fihinanana legioma sy voankazo isan’andrp miampy ny torimaso ampy tsara izay tokony ho adin’ny 8 isan’andro, ary ny fisotroana rano. Fa ankoatra izay dia mampahatsiahy ny rehetra ihany koa ity mpitsabo ity fa efa madiva hiakatra izao ny vary ka tokony samy hitandrina ireo olona manana aretina sempotsempotra toy ny asma. Tena mampihetsika io karazan’aretina io mantsy ilay fofom-bary miakatra iny ka ilana fitandremana be.
Pati
Legende : Tokony hohanina betsaka ny voankazo sy ny legioma
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT