Misy rindrin-drahona lehibe ao atsimon’ny Nosy izay manakorontana tanteraka ny atmosfera ; 𝐟𝐚𝐦𝐛𝐚𝐫𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐦𝐛𝐨𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐦-𝐩𝐚𝐡𝐚𝐯𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐬𝐢𝐚𝐧’𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲.
Vinavinaina hisitraka oram-pahavaratra manomboka ny alakamisy 12 novambra 2020 ny faritra maro eto amin’ny Nosy indrindra ny ety amin’ny afovoan-tany ; haharitra hatramin’ny fiafaran’ny herinandro izany, hoy ny Sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro. Arahina na ialohavana 𝐭𝐚𝐟𝐢𝐨𝐭𝐫𝐚 ny rotsak’orana amin’ny faritra sasany ary ahiana ny hisian'ny 𝐡𝐚𝐯𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚 manodidina ny faritra avo. H𝗶𝘀𝘆 𝗳𝗶𝗱𝗶𝗻𝗮𝗻y ny maripana ambony ho an'ny 𝐚𝐟𝐨𝐯𝐨𝐚𝐧-𝐭𝐚𝐧𝐲 sy ny 𝐢𝐥𝐚𝐧𝐲 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚. Rahampitso sabotsy 14 Novambra 2020, dia tombanana 𝐡𝐢𝐯𝐞𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐡𝐢𝐚𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 kosa ny any amin'ny a𝐭𝐢-𝐭𝐚𝐧𝐢𝐧'𝐢 𝐌𝐞𝐧𝐚𝐛𝐞 sy 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚. Ho an’ny omaly, dia nirotsaka tokoa ny orana tany amin’ny ilany Atsimo, ka isan’ny nisitraka izany ny tany Ambovombe, izay nahafaly ny olona satria am-bolana maro no tsy nisian’izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.