Mety hisy ranon’orana anio Zoma 23 May raha araka ny vinavinan’ny Sampana
mpamantatra ny toetr’andro eny Ampandrianomby. Hatramin’ny anio mantsy dia fantatra fa mbola ilay Varatraza no mandrafitra ny toetr’andro eto amintsika. Mangatsiaka hatrany izany ary misy ranon’orana kely mihitsy. Ankoatra izay dia nambaran’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro ihany koa fa amin’ny faran’ny volana May izany hoe : afaka herinandro vao hanomboka tanteraka ny vanim-potoanan’ny ririnina eto amintsika. Mila miomana amin’izany ny rehetra, raha araka ny fanazavana azo hatrany. Tokony hamafisiny ny hery fiarovana amin’ny alalan’ny fihinanana Vitamina. Tsy adino ihany koa ny akanjo mafana mifanaraka amin’ny filan’ny vatana sy ny fisotroana rano mafana. Mampidina ny hery fiarovana rehetra ao anaty mantsy ny fisotroana rano mangatsiaka raha tsiahivina raha toraka izany ihany koa ny fihinanana zavatra mangatsiaka hoy ny mpitsabo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.