Actualités

TOETR’ANDRO Mbola tsy ririnina izao


  • Alakamisy 11 Mey 2023

Efa tena mahatsiaro mangatsiaka ny rehetra amin’izao indrindra fa amin’ny harivariva iny sy ny maraina.

Tsy vitsy ireo efa mamoaka bodofotsy mba horakofana amin’ny alina vokatr’izany raha efa marobe ihany koa ireo namoaka ny akanjo mafana fitondra amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina tany anaty fitoeran-damba tany. Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby anefa dia mbola tsy vanim-potoanan’ny ririnina izao. Mbola ao anatin’ilay fotoana manasaraka ilay fararano, fotoana fiakaran’ny vary sy ny hatsiakabe isika eto Madagasikara. Na izany aza dia notsindrian’izy ireo kosa fa tena misy ny fivadibadihan’ny toetr’andro. Anisan’izany ilay rivotra mitsoka entin’ny varatraza avy any avaratra izay tena mamirifiry tokoa. Toraka izany koa ny vinavina ny mety hisian’ny ranon’orana tampoka amin’ity faran’ny herinandro ity… Any amin’ny faramparan’ny volana May miditra mankany amin’ny volana Jona any araka izany vao tena hiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika eto Madagasikara.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT