TOETR’ANDRO

Mbola tena hamirifiry ao anatin’ny 3 andro


  • Alakamisy 30 Mey 2024

Mbola tena hamirifiry tanteraka ny toetr’andro eto amintsika mandritra ity faran’ny herinandro ity.

Hisy fidinany hatrany mantsy ilay maripana 10°C izay efa nampitaraina ny maro tamin’ny Talata lasa teo. Ho an’ny Faritra Vakinankaratra kosa dia hitontongana hatrany amin’ny 3°C mihitsy izany ka 18°C no farany ambony indrindra. Mila manao mafana tsara araka izany ny rehetra hisorohana ireo karazan’aretina mety hamely amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina izao. Ny maraina sy ny hariva no tena hamirifiry fatratra izany hatsiaka izany. Tapitra niakatra avokoa noho izany ireo vidin’akanjo mafana sy ny bodofotsy eny an-tsena. Ho an’ity farany manokana dia misy mahatratra 2 hetsy Ar ny iray amin’ireo karazany matevina sy tsara. 50.000 Ar kosa ny mora indrindra ho an’ireo efa nampiasaina na friperie. Na izany aza dia mbola maina ny tsena. Raha araka ny fanazavan’ny mpivarotra iray mantsy dia mbola bodofotsy iray amin’ny 6 isan’andro amin’izao no lafo. Ny mpanontany no betsaka raha araka ny fanazavany hatrany. Ho an’ny akanjo mafana kosa indray dia fantatra fa niakatra hatrany amin’ny 10% isanisany ny vidin’izy ireny miankina amin’ny habeny sy ny kalitaony. Manomboka amin’ny 40.000 Ar ny raha misy mahatratra hatrany amin’ny 150.000 Ar kosa ny lafo indrindra.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT