TOETR’ANDRO

Hiverina ny oram-baratra manomboka ny alakamisy…


  • Talata 28 Novambra 2023

Somary nafana no sady niantona kely ny ranon’orana teto amin’ny Faritra Analamanga

efa ho herinandro mahery izao. Vokatry ny fisian’ny Varatraza no voalaza fa antony nahatonga izany ka nampiakatra ny hafanana hatrany amin’ny 29 degre teto an-drenivohitra efa ho andro maromaro izao. Somary hivadika kely anefa izany toetr’andro izany manomboka amin’ny Alakamisy ho avy izao raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby. Hiverina mian-dalana ny oram-baratra manerana an’i Madagasikara ka ny faritr’i Menabe sy Atsimo Atsinanana irery no tsy ahitana izany. Hatramin’izao kosa dia mbola mivangongo any amin’ny ilay Andrefana sy Avaratra Andrefana ny oram-baratra izay mitarika tandrifindrahona any Sambirano. Mety hiitatra any amin’ny faritra Itasy sy Vakinankaratra izany hatramin’ny rahampitso Alarobia, hoy hatrany izy ireo.
Pati
Legende : Ho avy indray ny ranon’orana ato ho ato !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT