Tsy mbola misy rivo-doza ahiana hahakasika ny morontsirak’i Madagasikara aloha hatramin’ny omaly raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby.
Mbola miaina ao anatin’ny volon’andro fahavaratra anefa isika ka tokony samy hiomana amin’ny fitafiana mifanaraka amin’izany ny rehetra. Ho an’ny eto afovoan-tany manokana dia fantatra fa hiaina ao anatin’ny ranon’orana hatrany isaky ny folakandro manomboka anio alatsinainy raha somary hihamaina kosa ny any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia mety hitohy mandritra ny alina izany miankina amin’ny habetsaky ny rotsak’orana. Anio alatsinainy sy rahampitso talata no vinavinaina ho oram-baratra manombola ny tolakandro ho an’ny eto Antananarivo, orana madinika kosa manomboka ny alarobia ka hatramin’ny sabotsy.
Pati
Legende : Ho avy hatrany ny orana isaky ny folakandro
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.