Actualités

Toetr’andro Faritra maro no miandry oram-baratra anio


  • Alakamisy 12 Novambra 2020

Faritra maro manerana ny Nosy no miandry oram-baratra anio alakamisy 12 Novambra, manamarika ny fidirantsika eto Madagasikara ao anatin’ny fotoam-pahavaratra.

 

 

 Atahorana hisy avandra izany any amin’ny faritra avo sy afovoany raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby saingy na izany aza tsy ahiana hanimba zavatra kosa. Na izany aza anefa dia tsy misy hifandraisany velively amin’ilay rivo-doza ahiana hiforona any amin’ny 3.000 km any an-dranomasina lavitra miala an’i Madagasikara io oram-baratra io, rivo-doza izay eritreretina ho laharana voalohany amin’ny taom-pikatrohana 2020-2021 hoy hatrany ny fanazavana azo. Ho an’ny rahampitso zoma dia hahazo orana ihany koa ny any amin’ny tapany avaratry ny Nosy. Amin’ny hariva sy amin’ny alina no mety hitrangan’izany raha somary ho maimaina kosa any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy toy ny any Vakinankaratra…. Nomarihin’ny teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro moa fa tsy haharitra elabe toy ny teo aloha intsony ny firotsahan’ny ranon’orana aorian’ity oram-baratra andrasana manomboka anio Alakamisy ity fa mety ho avy isaky ny 3 na 4 andro amin’izay.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT