TOETR’ANDRO ETO AN-DRENIVOHITRA

Aorian’ny 20 Novambra vao mety hisy ranon’orana


  • Alakamisy 14 Novambra 2024

Mahazo vahana tanteraka ny hafanana amin’izao eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Tafakatra hatrany amin’ny 32°C izany amin’ny atoandro raha araka ny fanazavan’Atoa Lahatra Mampionona, teknisiana eo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro raha efa mahatratra 37°C kosa any Mahajanga any. Mbola hitohy hatramin’ny herinandro ambony io hafananabe io raha araka ny fantatra hatrany. Aorian’ny datin’ny 20 Novambra mantsy vao mety hisy ranon’orana hilatsaka eto amin’ny Faritra Analamanga raha ny vinavinan’izy ireo. Miankina betsaka amin’io fiavian’ny ranon’orana io noho izany ny fiovan’ny fahalotoan’ny rivotra eto amintsika izay tena miteraka aretina maro tokoa indrindra fa ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny kohoka sy ny sery. Na izany aza dia nomarihin’ny teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro fa misy fiforonana andro ratsy arahi-maso any amin’ny faritra Avaratra Atsinanan’ny ranomasina misy antsika amin’izao. Ahiana hivadika ho rivo-doza izany ny datin’ny 14 ka hatramin’ny 15 Novambra ho avy izao. Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny rivo-doza mantsy isika eto Madagasikara ankehitriny izay efa nanomboka ny datin’ny 01 Novambra ka hatramin’ny 30 Aprily taona 2025.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT