Efa manomboka mangatsiaka ny toetr’andro eto an-drenivohitra raha vantany vao hariva ny andro.
Toraka izany koa rehefa madiva ho maraina. Raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby dia efa miditra mian-dalana mankany amin’ny volon’andro ririnina isika amin’ity volana Mey ity. Mety hisy herika kely mihitsy izany amin’ny maraina raha mbola somary niakatra kely ny maripana tamin’ny faran’ny herinandro teo ho an’ny teto an-drenivohitra. Ho an’ny tapany atsimo atsinanan’ny Nosy kosa dia mety hisy herika mihitsy izany hoy hatrany ny sampana mpamantatra ny toetr’andro ka tokony samy hiomana ny rehetra. Tsiahivina moa fa fotoana mampahazo vahana ny aretin’ny taovam-pisefoana toy ny sery sy ny kohoka ny volon’andro ririnina tahaka izao noho izany mila mitondra akanjo mafana hatrany ny rehetra. Mila misakafo mafana sy ara-pahasalamana ihany koa, indrindra amin’izao fotoana mampahazo vahana ny coronavirus eto amintsika izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.