Actualités

Toetr’andro ato anatin’ny 5 andro Tsy atahorana hisy rivodoza handalo


  • Alakamisy 02 Febroary 2023

Tsy atahorana hisy rivo-doza hahakasika an’i Madagasikara ato anatin’ny 5 andro ho avy raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby.

Mbola tsy fantatra kosa anefa ny aorian’ny folo andro ho avy. Na izany aza dia fantatra fa mbola tena miaina tanteraka ao anatin’ny fotoam-pahavaratra isika ankehitriny, tranga izay mbola hiainana mandritra ny roa volana eo ho eo raha kely. Mikasika ny rivo-doza Cheneso manokana moa dia fantatra fa nahatratra 33 isa ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovany nanerana ny faritra 17 isa teto amintsika. Miisa 20 kosa ireo mbola tsy hita popoka hatreto raha miisa 34.114 ireo voatery nafindra monina tao anatin’ireo traboina miisa 90.000 mahery. Ankoatra ireto farany dia tranon-tsekoly miisa 493 ihany koa no rava. Mikasika ireo lalana simba manokana dia fantatra fa efa nisokatra sy azo hampiasaina ny ankamaroan’izy ireny. Tonga nanolotra fanampiana ho an’ireo traboina manerana ny Nosy teny amin’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC omaly maraina ny fikambanana groupement des organisations des societes civiles de Madagascar sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT