Tena mahazo vahana ny hafanana eto an-drenivohitra. Mahatratra hatrany amin’ny 39 °C ny maripana farany ambony indrindra raha 23 °C no farany ambany indraindray, raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro.
Manodidina ny 15 °C kosa no tena farany ambany indrindra rehefa mba malomaloka iny ny andro raha mahatratra 24 °C ny ambony indrindra. Vokatr’ilay rivotra mafana tsy mari-toerana no mahatonga izany izay mandrafitra ny toetr’andro eto amintsika. Amin’ny faran’ny herinandro any ho any araka izany vao tombanana hahazo aina ny oram-baratra eto amintsika. Mialohan’izay anefa dia ho maika amin’ny ankapobeny ny toetr’andro any amin’ny faritra hafa. Hitoetra kosa ny orana tandrifin-drahona amin’ny tapany Atsinanan’ny afovoan-tany sy any Atsimo Atsinanana. Saika hisy hatrany ny orana tandrifin-drahona arahin-kotroka isaky ny folakandro na ny takariva any Sambirano, Melaky, Bongolava ary ny faritra avo amin’ny afovoan-tany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.