TOETR’ANDRO

Ahiana hisy rivo-doza hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato


  • Alakamisy 25 Aprily 2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Hanomboka amin’ny Alatsinainy 29 Aprily ho avy izao no mety hisian’izany ka hatramin’ny 05 May ho avy izao. Raha ny vinavina dia ho voakasik’izany manokana ny distrikan’Antsiranana, Ambilobe, Nosy Be, Ambanja, Vohemar, Sambava, Antalaha ary Andapa. Toraka izany koa ny distrikan’i Maroantsetra, Mananara Avaratra, Sainte Marie, Soanierana Ivongo, Fenoarivo Atsinanana, Vavatenina, Toamasina, Analalava, Bealanana, Antsohihy, Befandriana avaratra ary Mandritsara saingy somary ho maivamaivana kokoa. Manentana ny mponina amin'ireo distrika ireo sahady mba hanaraka akaiky ireo antontam-baovao momba ny toetry ny andro araka izany ny tompon’andraikitra, manomboka ny faran’ny herinandro izao. Tsiahivina moa fa orana manasa-taona no efa handrasan’ny mponina ankehitriny saingy mbola ahiana ihany araka izany ny hisian’ny rivo-doza.
Pati
Legende : Ahiana mbola hisy rivo-doza handalo eto Madagasikara ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT