Toetr’andro, ady,

toekarena iraisampirenena


  • Alarobia 11 Martsa 2026

Mikorontana izao tontolo izao, mila mailo ny firenena…

Tsikaritra ho manakorontana ny tambazotram-pifandraisana isan-karazany eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ny olana eo amin’ny toetr’andro. Miantraika amin’izany koa ve ny vokatr’ity ady iraisampirenena misongadina isan-karazany an-taonany maro ity? 4 taona izao ny an’i Ukraine sy Rosia. Mandroba ny tontolo iainana sy ana habakabaka koa ny ady eo amin’ny israelina, izay ampian’ny amerikanina, amin’ny iranianina. Mampihoron-koditra ny mahita ireo misily isan-karazany misidintsidina mamela setroka manimba tontolo iainana mipaka amina firenena maro mihitsy amin’iny «Moyen Orient» iny. Isan’ny manomboka mivadika tanteraka ny tontolon’ny toekarena iraisampirenena. Efa vinavinaina mpandinika samihafa amin’izao fotoana izao ny hampanjary izany anarana hoe «Pétrodollars» izany ho anaran-tsy very sisa. Ny arabo efa tsy manaiky ny hividianana ny solitany na solika ao aminy amin’ny vola Dolara amerikanina intsony fa amin’ny volan’izy ireo toy ny Dirham izany. Miha mitombina hatrany ny fialan’ny hery ara-toekarena tandrefana ary miha mahazo vahana ny toekarena tantsinanana. Miha maro ny endriky ny toekarena samy mahazo na hoe «win win» ary miha misandrahaka ihany koa ny fitantanana izay tontolon’ny toekarena iraisampirenena izay na ilay antsoina hoe «monde multipolaire». Mikorontana izao tontolo izao kanefa etsy ankilany dia maminavina ireo mpandinika fa io no lalina mankany amin’ilay antsoina hoe lamina vaovao manerantany na «nouvelle ordre mondiale». Mila mailo ny firenena toy ny eto Madagasikara nefa ao anatin’izany rehetra izany mba tsy ho diso safidy amin’ny firenena tena iaraha-miasa akaiky. Izay nifandraisana rehetra, hatramin’ny faramparan’ny fitondràna Rajoelina teo ka hatramin’izao aloha izany dia io iaraha-mahita fa misedra ady io avokoa. Io i Israely, ry zareo arabo, ry zareo rosianina fa eo ihany koa nefa ny sasany tamin’ireo efa niaraha-niasa nahazatra tahaka ny amerikanina na firenena ao andrefana ao hafa.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT