Toetr'andro

Misy andro ratsy mety hivadika rivodoza indray


  • Alakamisy 05 Febroary 2026

Misy tangoron-drahon'oram-baratra

lehibe any avaratra atsinanan’i Madagasikara, izay miforona any amin’ny 1527 km miala an’i Antalaha amin’ny lafiny atsinanana somary avaratra. Ny rivotra entiny dia manodidina ny 45 km/ora miaraka amin’ny tafiotra mahatratra 55 km/ora ary mihetsika miankandrefana somary atsimo andrefana amin’ny hafainganam-pandeha 10 km/ora, araka ny tatitra navoakan’ny Meteo Madagasikara. Ny fandrefesana sy ny sary zanabolana omaly tamin’ny 4 ora hariva dia mampiseho fa efa mivelatra ny tamba-drivotra manodidina azy ary ny toe-javatra eny amin’ny tontolo manodidina dia manohana ny fivoarany ka vinavinaina fa afaka 48 ora dia mety hihamafy ho rivodoza. Raha tanteraka izany dia ho rivodoza faha 10 amin’ity taom-pahavaratra 2025/2026 ity izy ary ny anarana voatokana ho azy dia GEZANI. Mety hanohintohina ny faritra afovoany sy atsimo atsinanan’ny Nosy izany amin’ny andro manaraka. Na dia mbola tsy hisy fiantraikany mivantana amin’ny toetr’andro eto Madagasikara ao anatin’ny dimy andro manaraka aza ny fisiany dia efa nampitandrina ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro ka nampahatsiahivina fa tokony hiomana dieny izao ny tompon’andraikitra sy ny rafitra misahana ny fiarovana ny vahoaka. Ireo mponina manamorona ny morontsiraka atsinanana manomboka any Ambotosoa ka hatrany Anôsy dia asaina hanaraka akaiky ny fivoaran’ity tranga ity, araka ny fampitam-baovao ofisialy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina Ambohiperivoana
  • Talata 21 Aprily 2026

Mitokona mitaky ny fialan'ny

  • 10 VOLANA ATY AORIANA
  • Talata 21 Aprily 2026

Mbola misitery tanteraka ny raharaha Ambohimalaza

  • FOMBA FANAON’NY TEO ALOHA
  • Talata 21 Aprily 2026

Io fa mitady hiverina ilay hoe : « Merci Président »

  • Kaominin’Ambatomarina
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila angovo azo avaozina,

  • JRP na Jeunes Responsable
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

et Patriote Mitsangana hifanolo-tànana

  • Mponina eny amin’ny Akamasoa
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nametraka fitoriana manoloana

Hijery ny tohiny
FTT