Actualités

Toetr`andro Ho avy ny rivodoza Irondro


  • Zoma 03 Aprily 2020

Feno omaly maraina ny fepetra maha-rivodoza ireo tangoron-drahona any amin’ny faritra avaratry ny nosy iny.

 

 

Any amin’ny manodidina ny 2.186 Km somary Avaratra Atsinanan’ Antalaha no misy ny foibeny. 65 Km/ora ny rivotra miaraka aminy ary arahina tafiotra 90 Km/ora. Mikisaka mianatsimo somary atsimo atsinanana izy ka mahafaka 09 Km/ora. Hisy, araka izany, ny toro-marika hapetraky ny tompon’andraikitra manam-pahefana amin’ ny faritra SAVA, DIANA ary Sofia ho mariky ny fanairana amin’ny fihavian’ny rivodoza. Hisy rahateo, manaraka izany, ny fepetra isan-tsokajiny izay tokony ho raisin’ny mponina amin’iny faritra tendron’ny nosy iny, indrindra ny tsy fanjonoana an-dranomasina intsony. Ilaina, hatrany ny fahamailona ho an’ny faritra rehetra handalovan’izany rivodoza izany.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT