Nirehitra ny ilany atsimo an'Andohalambo, kaominin’i Bongatsara, ny atoandron’ny sabotsy teo ary niverina nirehitra indray ny hariva, tokony tamin’ny 7 ora tany ho any.
Nirehitra mikisaka mianavaratra amin'ny tendrombohitra Andohalambo ny afo mijoalajoala, hoy ny fampitam-baovaon’ny mponina tany an-toerana. Efa maty ny afo ny atoandro saingy niverina nirehitra indray ary nikisaka nianavaratra. Isan-taona, hoy hatrany ny fanazavana, dia mirehitra lava ity tendrombohitra izay manakaiky dia manakaiky ny toerana kasain'ny fitondram-panjakana hamindrana ny LP na ny tobin-tsolika eny Ankorondrano ity, hoy ny kandida ho ben’ny tanana tao an-toerana, Tsiry Andriamihantasoa. Ity farany moa dia mbola manao antsoavo hatrany ny amin’ny mba tsy hamindrana izay tobin-tsolika izay eo amin’io toerana io ho fitandroana ny fihariana fa indrindra ny ain’ireo mponina eny an-toerana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.