Toerana ho Tale Jeneralin’ny ARAI

Manomboka ny fandraisana ny antontan-taratasy


  • Alakamisy 22 Aogositra 2024

Vokatry ny fahafatesan’ny Tale Jeneralin’ny Sampan-draharaha misahana ny

fanagiazana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-drariny na ny ARAI ny 14 mey lasa, teo dia nanomboka ny fandraisana mpifaninana hisafidianana izay ho mpandimby azy, ka ny Komity mitandro ny fahintsiana na ny CSI no isan’ny miantsoroka an’io. Araka ny andininy faha-16 andalana faha-5 amin'ny Didim-panjakana 2021-960 tamin'ny 29 septambra 2021, ny fanendrena Tale Jeneraly vaovao dia tsy maintsy atao ao anatin'ny enim-bolana volana, ka ny 14 novambra 2024 farahafatarany dia tokony ho efa tafapetraka. Na tsy mitaky fanadihadiana momba ny fahamendrehana aza ny lalàna, dia ampiharina io dingana io mba hahazoana antoka ny fahamendrehan'ny mpifaninana voafantina ary ampitoviana ny herijikan’ny rehetra amin’ny fifantenana, raha ny serasera mikasika ny sivana. Farafahatarany ny 20 septambra 2024 amin'ny 5 ora tolakandro ny fandraisana ny antontan-taratasy. Araka ny lalàna 2016-020 tamin'ny 22 aogositra 2016 momba ny lalàna mifehy ny ady amin’ny kolikoly na LCC, amin'ny andininy faha-40 andalana faha-2, ny Komity CSI no miantoka ny fahaleovantenan'ny rafitra iadiana amin'ny kolikoly. Amin'io anjara asany io, dia manomboka ny fandraisana mpifaninana ho amin'ny Tale Jeneraly ny BIANCO, ny SAMIFIN, ny birao manara-maso ny fanangonana vola tsy ara-dalàna, ary ny Mpandrindra Nasionalin’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) amin'ny alalan'ny "Komity fandraisana mpifaninana ad hoc". Ity Komity ity dia ahitana ny Filohan’ny CSI, solontenan'ny Primatiora, solontenan'ny Ministeran'ny Fitsarana, solontenan'ny Ministeran'ny Toekarena sy ny Vola, solontenan'ny sehatra tsy miankina, mpikambana ao amin'ny Conseil de l'Ordre des Avocats, ary solontenan'ny Firaisamonim-pirenena. Tsara ny manamarika fa na efa mipetraka avokoa aza ireo rafitra natao hiadiana amin’ny kolikoly, tsy nahomby ny paikadim-pirenena momba ny ady amin’ny kolikoly na ny SNLCC (Stratégie Nationale de Lutte contre la Corruption) 2015-2025, ary anisan’ireo Firenena ratsy toerana sy tena anjakan’ny kolikoly i Madagasikara.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

  • Maitre Michel Le Dragon
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Mpanavotra no dikan’ny anarana hoe «Mickael»»

  • Natosiky ny vadiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

avy amin’ny rihana ambony ?

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

Hijery ny tohiny
FTT