TOERANA FANATOBIANA FAKO AO AMBOHIMIZANA

Efa madiva ho vita, kaominina 3 no hahazo tombontsoa


  • Talata 13 Aogositra 2024

Ho afa-pahasahiranana ireo kaominina miisa 3 ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano

amin’ny toerana fanariana sy fanatobiana fako. Efa madiva ho vita mantsy ilay foto-drafitrasa mifandraika amin’izany natsangana ao amin’ny Fokontany Ambohimizana, kaominina Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano izay famatsiam-bola avy amin’ny Maorisiana sy ny Eoropeana. Ankoatra ny biogaz izay ho azo avy amin’ireo fako voahodina ao an-toerana dia ho afaka hamokatra zezika karazany miisa 3 ihany koa ny fako ao Ambohimazana ao raha araka ny fanadihadiana natao. Tombony lehibe ho an’ny kaominina Fenoarivo manokana izany raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Bruno Solofoharimanana. Hamelona indray ny tanim-boasary ao Fenoarivo mantsy izany izay mamelona ankohonana maro izay hahafantarana sy mampahalaza an’Ambohijafy. Efa tsy mety intsony mantsy ny zezika amin’ireo tanim-boasary ireo. Ny GRET izay miara-miasa amin’ny kaominina araka izany no hitatitra ny fako amina toerana rehefa avy alaina any an-tokantrano ary taterina amin’ny fiarakely iray. Ho an’ireo kaominina hafa toa an’Ampitatafika sy Ambatomirahavavy ary Alakamisy Fenoarivo kosa dia samy hanana ny paikadiny izy ireo amin’izay fitaterana ny fako avy any amin’ny faritra misy azy izay. Fako an-taoniny isan’andro rahateo no ilaina ao amin’izany toerana izany.
Pati
Legende : Ao Ambohimizana Fenoarivo no misy ity foto-drafitrasa fanodinana fako ity !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT