Actualités

Toeram-pisotroan-toaka Marobe ireo tsy manara-dalŕna tsy maintsy nosaziana


  • Alarobia 30 Jolay 2014

Mahatratra 169 hatreto ireo toerana fisotroan-toaka na “bar” efa voasazy taorian’ny fidinana ifotony nataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra

. Miparitaka amina faritra maromaro izy ireo toy ny eny  67 ha, ny eny amin’ny toby fiantsonan’ny taksiborosy eny amin’ny fasan’ny karana… 50.000 Ar isaky ny hadisoana nataony no lamandy aloan’izy ireo raha ny fanazavan-dRamamonjisoa Haja, tompon’andraikitra voalohany misahana ny ady atao amin’ny fidorohana sy ny fandraisana zavamahadomelina eo anivon’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Maromaro ireo antony hanasaziana ireo mpivaro-toaka ireo. Lohalaharana amin’izany ny tsy fanidiana tsena amin’ny 9 ora alina. Tsy latsa-danja ny antontan-taratasy hahafahan’izy ireo miasa. Misy ireo tsy manana taratasy mihitsy, misy ihany ireo manana saingy mihoa-pefy. Raha fahazoan-dalana hivarotra toaka fotsiny no ananany dia mbola misy manao bar ihany ny sasany. Tao anatin’ny iray volana no nanaovan’ny kaominina ity hetsika ity. Mbola hitohy izy io, araka ny fanazavana azo ihany. Manomboka ny 3 oktobra ho avy izao dia hijery fotsiny mikasika ny “norme” indray ny fanaraham-penitry ny tsena ny kaominina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT