TOERAM-PIASANA IRAY ETSY BEHORIRIKA

Hararaotin'ireo lehibe ireo vehivavy mpiasa ?


  • Talata 01 Jolay 2025

Orinasana tera-tany vahiny iray etsy Behoririka no nahazoan'ny zandarimariam-pirenena fitarainana omaly.

Fantatra fa hifandimbiasan'ireo lehibe ao amin'io orinasa io hanaovana firaisana ara-nofo ireo vehivavy miasa ao aminy na andro na alina. Rehefa tsy mety hoy hatrany ilay mitaraina dia rahonany horoahina hany ka tsy afa-manoatra ny sasany fa manaiky.Ny fiainana rahateo sarotra. Manoloana ity tranga ity dia nanambara ny zandarimariam-pirenena fa zon'ny mpiasa rehetra ny mitaraina, mitoroka sy mitory, na mpampiasa teratany vahiny na teratany Malagasy no manao izany fihetsika mamoafady tahaka izany. Tsy azo ekena mihitsy hoy izy ireo ny fanaovana tsindry mba hanararaotana ny olona ambany fibaikoana, fiadidiana. Izany rahateo hoy hatrany izy ireo no antom-pisian'ny sendikàn'ny mpiasa ao anatin'ny toeram-piasana iray mba hiady ho an'ny tombontsoan'ny rehetra. Notsindrian'izy ireo moa fa ny tranga tahaka itony dia efa fandikan-dalàna voalazan'ny code_penal ka ny fahasahiana mitory sisa no andrasan'izy ireo hahafahany mandray ny andraikiny.
Pati
Légende : Mpiasa maro no miaina tsy rariny ety Behoririka ety !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT