TOERAM-PIALAM-BOLY IRAY ENY ITAOSY

Nahatrarana varika miisa 3


  • Talata 10 Desambra 2024

Varika miisa 3 nafenina mafy ary nompiana manokana no fantatra fa tratra tamina toeram-pialam-boly iray eny Itaosy

Atsimondrano ny faran’ny herinandro teo. Raha ny fantatra dia misy lahy sy vavy ireo varika ireo ka olona tsara sitrapo mahalala tsara ny lalana mifehy ny fiarovana ireny zava-manan’aina ireny no nampandre ny tompon’andraikitra. Hiakatra Fitsarana anio Talata raha tsy misy ny sampona araka izany ny raharaha ka ho fantatra hatramin’ny toerana nakana ireo varika ireo sy ny fomba nitondrana azy. Tsiahivina moa fa voararan’ny lalàna velona ny fihazana, ny fitazomana, ny fihinanana, ary famarotana indrindra ny fanondranana ireo biby arovana toy ny varika any ivelany.
Pati
Legende : Tokony any amin’ny valan-javaboahary na ny toerana niaviany ihany no ahitana ny varika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT