Nivoaka ny alarobia 3 septambra 2014 lasa teo ny filaharana manerantany momba ny fifaninanana ara-toekarena ho an’ny taona 2014-2015. Mitohy ny fihemorana ho an’ny firenena Malagasy izay very toerana 15 be izao
Eo amin’ny laharana faha-130 ankehitriny i Madagasikara raha nitana ny laharana faha-105 tamin’ny taona 2013-2014. 11,2 tapitrisa dolara ny fitambaramben’ny vokatra anatiny ho an’i Madagasikara. Manodidina ny 488,02 dolara ny vokatra anatiny isam-batan’olona ho antsika Malagasy. Izay ny zava-misy fa mbola mampatahotra kokoa ny ho avy, satria na dia efa tena latsaka an-katerena tokoa aza ny firenena dia tsy misy hatramin’izao ny vahaolana hanarenana ny toekarena sy hitsinjovana ny fiainam-bahoaka. Atahorana ny hisian’ny fipoahana ara-tsosialy goavana izay tena ho sarotra ho an’ny fanjakana ny hifehezana azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.