Actualités

Toekarena Laharana faha-133 amin’ny firenena 192 i Madagasikara


  • Talata 01 Jolay 2014

Araka ny fanadihadiana nataon’ny tahirimbola iraisam-pirenena (FMI) dia laharana faha 133 amina firenena 192 i Madagasikara raha ny fitambaramben’ny harena vokatra eto an-toerana na produit intérieur brut (PIB ) no jerena....

Azo faritana tsotra ho asa ara-toekarena ao amina firenena iray ihany koa ny PIB. Avy amin’ny elanelana misy eo amin’ny PIB ao anatin’ny taona roa mifanesy no handrefesana ny fitomboan’ny harin-karena. Mitentina 10,1 miliara dolara ny PIB ho an’i Madagasikara. Maro noho izany ireo firenena Afrikanina maharesy antsika, tahaka an’i Soudan Atsimo laharana-faha 126, RDC (122) Mozambika   (117), Etiopia (84). Any amin’ny laharana faha-29 kosa no misy an’i Afrika Atsimo, faha-8 i Brezila izay mampiantrano ny Mondial ankehitriny. Lohalaharana, izany hoe voalohany i Etazonia, mitentina 17 438 ny fitambaran’ny harena vokariny. Laharana faharoa  ny vondrona eoropeanina ary laharana fahatelo kosa ry zareo Sinoa. Na dia fomba fandrefesana ny toekarena, mety manana ny kilemany ihany aza ity resaka PIB ataon’ny FMI ity  dia azo atao fototra iaingana ihany mba hisaintsainana sy handinihana tsara ny ezaka goavana dia goavana tsy maintsy ataontsika eo amin’ny resaka asa fampandrosoana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT