Actualités

Toe-javatra mampiahiahy any Nosy Be Mpanjono 9 tsy hita popoka


  • Alakamisy 25 Jona 2020

Mpanjono Malagasy miisa 4 no tsy hita popoka tsy hay na maty na velona nanomboka ny sabotsy 30 mey ka hatramin’izao. Nanjono tany amin’ny fari-dranomasin’i Nisy Be izy ireo.

 

 

 

Niampy 5 hafa indray izany amin’izao fotoana izao, raha ny vaovao azo avy any an-toerana. Nitovy tamin'ireo voalohany ihany ny anton-dian'izy ireo. Nandeha nanjono ary tany dia tsy niverina intsony. Lany haika ny fianakaviana, lany ihany koa ny vola niantohana solika sy nanofana sambo haingam-pandeha nikarohana azy ireo tany amina kilaometatra maro manodidina an'i Nosy Be. Nijanona tanteraka ny fikarohana ankehitriny ka vaovao avy amin'ireo tsara sitra-po sisa antenaina ho an'izay mety mba hahita ny havan'izy ireo, hoy hatrany ny vaovao azo. Tsy nisy hita na ireo mpanjono, na ny lakana, na ny fitaovan'izy ireo. Ahiana ho notafihin’ny jiolahin-tsambo Somalianina ireo fianakaviana. Misy ihany koa anefa ireo mieritreritra fa misy hifandraisany amin'ny Îles éparses izao fanjavonana mifono mistery izao. Efa nisy fotoana rahateo nisiana fisamborana mpanjono Malagasy nandalo tany amin’ireo Nosintsinka ireo nataon’ireo miaramila miandry izany. Miangavy amin'ny fitondram-panjakana ny fianankaviana ny mba handefasana angidim-by hitadiavana azy sivy mirahalahy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT