Fampijabahana ny filoha ny tsindry handrava antenimiera ! »
Mahagaga ny mahita an’ireo milaza fa tsy te hanongana an’i Filoham-panjakana hono fa ny Antenimierampirenena no ravana. Fampijabahana ny Filoham-panjakana anefa ny fampirisihana azy handrava ny Antenimierampirenena", hoy i Mohamed Razafiberison Mpandinika raharaham-pirenena. Notsiahiviny fa ny didy navoakan’ny HCC no naha ara-dalana an’izao fitondrana fanavaozana izao ary HCC no nampanao fianihanana ny Filoham-panjakana ankehitriny, ka mazava tsara anefa ny Didy N°10 HCC-D3 fa tsy afaka mandrava Andrim-panjakana ny Filoha ary tsy afaka manongana azy ihany koa ireo depiote, hoy hatrany izy. Aminy, tsy misy fandravana sy fanovana rafitra ivelan'ny tapaka anatin'ny"concertation nationale" andraisan'ny herivelona samihafa anjara, ka mitandro mafy izany ny Filoham-panjakana. Noho izany, fehin-kevitra avy amin’ny rehetra tapaka mandritra ny fikaonandoham-pirenena ihany no tokony ahafana andraisana fanampahan-kevitra rehetra eto amin’ny Firenena fa tsy sanatria fanampahan-kevitra avy amin’ny olon-tokana na olombitsy, raha ny nambaran’i Mohamed Razafiberison. Navoitrany fa mbola mila an’io Andrim-panjakana io ihany koa isika amin’izao satria hisy fahabangana be eo amin’ny rafi-panjakana, raha rava io. Ohatra fotsiny raha tsy hiteny ny PGE natolon’i PM tamin’ny herinandro teo, tsy afaka nanao an’iny Praiminisitra raha tsy teo ny Antenimierampirenena, eo ihany koa ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana hasiam-panintsiana na ny LFR handeha ato ho ato izay tena mbola ilana ny Antenimierampirenena, ary maro ihany koa ireo tolo-dalana maro samy hafa izay mbola mila mandalo eny amin’io Andrim-panjakana io,... Adihevitra tsy ifankahitana sy ifandroritana moa ity lohahevitra iray ity hatreto. Tafiditra amin’ireo antony heverina fa niantsoan’ny Praiminisitra ireo Gen Z hifampidinika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.