Gaboraraka tanteraka ny fitantanana ny toby fiantsonan’ny fiarakodia ao Ampamakiambato. Lasa toeram-pivarotana sy trano fandraisam-bahiny sy fanaovana pasazy ilay izy. Anisan'ny antony mahatonga izany, ny tsy fisian'ny mpitantana ao amin'ny fiadidian'ny tanàna manao ny toby ho mandeha ho azy.
Diso fanantenana ireo mpanao fitaterana. Manoloana izany, manao antso sy manaitra ny filohan'ny delegasiona manokan'ny kaominina ambonivohitra Faradofay ireo mpanao fitaterana sy ireo mpampiasa ny toby fiantsonan'ny fiara iray ity mba hisian'ny fampidiram-bola ho an'ny kaominina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.