Tobin’ny zandary etsy Ankadilalana

Nesorina ny sary sy anaran’i Richard Ravalomanana


  • Talata 14 Oktobra 2025

Nesorina ny anaran’ilay olona malaza dia

tsy iza fa ny anaran’ny filohan’ny antenimierandoholona teo aloha, ny Jeneraly Richard Ravalomanana, tetsy amin’ny tobin’ny zandary etsy Ankadilalana. Afaka tanteraka izany soratra izany, raha ny hita teny an-toerana ny takarivan’ny omaly. Tsiahivina fa nampitondraina ny anaran’ity Jeneraly misotro ronono ity moa nanomboka tamin’ity taona ity ny anaran’io toby misahana ny vondron-tobin’ny zandarimaria na «Circonscription de la gendarmerie national» io, izay fantatry ny mpanara-baovao maro amin’ny fanafohezana azy hoe CIRGN. Maro dia maro ny tranga tato anatin’izay 24 ora monja izay. Hita ho tena mihazakazaka, araka izany, ny raharaham-pirenena. Andrasana indray ny tohiny anio.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT