Actualités

Toavina Ralambomahay « Manana zo hahafantatra ny mpitondra anao ianao »


  • Alarobia 24 Jolay 2024

Manana zo ahafantatra ny mpitondra anao ianao! Io no fanehoan-kevitry

ny Mpanolontsaina Monisipaly Atoa Toavina Ralambomahay omaly miantefa amin’ny vahoakan’Antananarivo. Anisan’ny niaingan’io ny resabe mikasika ny Filohan’ny delegasionina manokana na ny PDS Atoa Richard Ramanambitana. « Mikasika ny PDS io. Tsy tokony miaina anaty honohono ianao. Tsy nanatrika ny fivoriana tsy ara-potoana aloha izy roa andro izay. Isika mpanohitra no maro an'isa ao aminay ao amin'ny Filankevitra. Tsara, averiko foana, tokony olom-boafidy no mitantana an'Antananarivo. TIM 25+ KOMBA 2+ Clémence Raharinirina. Sarotra be ny manazava an'io, tsy misy mahazo mihitsy », hoy i Toavina Ralambomahay. Mifamahofaho tanteraka ny toe-draharaha eo anivon’ny kaominina amin’izao fotoana izao eo anatrehan’io resaka PDS io, fa manampy trotraka izany ny olana samihafa toy ny fako tsy voaraoka, ny tanàna mikorontana ambony ambany, ny tranga samihafa toy ny fanotorana tany mampiahiahy,… Ny mahagaga teo anivon’ny kaominina dia nanana ny maro an’isa ireo ambara fa mpanohitra, saingy betsaka ireo zavatra lany sy nandeha foana na niteraka adihevitra tsy nifankahitana aza.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT