Mpandraharaha mipetraka any Toamasina sy avy eto Antananarivo no maty nisy namono ary very tamin’izany ny vola 10 tapitrisa ariary
Raha tsiahivina ny fandehan’ny raharaha dia nisy olona mipetraka any Toamasina nilaza tamin’ny namany iray izay mpandraharaha ihany koa fa mahita lafarinina mora be. Rehefa nifampiresaka izy roa lahy samy mpandraharaha dia tapa-kevitra fa hividy ilay entana ka nandeha nidina tany an-toerana ilay avy eto Antananarivo. Nony tonga tany an-toerana anefa izy ireo dia voalaza fa any Brickavile indray no misy ny entana ka lasa izy ireo naka ny entana tany amin’ny toerana voatondro etsy ambony io. Tamin’izany ary dia voalaza fa niaraka tamina olona hafa ireto mpandraharaha ireto ka ireo no namono sy naka ny vola tany amin’izy ireo. Rehefa nanao ny fikarohana ny mpitandro ny filaminana dia voasambotra tamin’izany Randriamanantena Rino izay tompon’antoka tamin’ny famonoana azy roalahy ireto ary efa midoboka any amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy. Misy ihany koa ny namany hafa izay karohana amin’izao fotoana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.