Actualités

Minisitra Fanirisoa Ernaivo


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Laviko ny fiampangana ahy ! »

Misy ny fanosoram-potaka no atao anay ao amin’ny Minisiteran’ny fitsarana, ary tsy matahotra ny hilaza ny marina aho. Laviko marindrano ny filazana fa ny filazana fa izaho no nanome baiko hampitsoahana ireo sinoa 11 », hoy i Fanirisoa Ernaivo mikasika ny ampamoaka nataon’ny Sekretera Jeneralin’ny Sendikan’ny mpandraharahan’ny fonja azy, ho nanome baiko namoahana ireo gadra sinoa. Nilaza fa izy no manome baiko hisamborana ireo. « Laviko marindrano satria tena tsy mitombina mihitsy fa ny tenako no nanome baiko hampitsoahana an’ireo satria ny tenako no nanome baiko ny hampisamborana ireo sinoa rehetra manao heloka amin’ny alalan’ny « scamming » eto Madagasikara, ary hanasaziana azy ireny », hoy i Fanirisoa Ernaivo. Nambarany fa misy amin’ireny sinoa ireny no misy mpamerin-keloka na « multirécidiviste » rehefa homena ny eo anivon’ny Ambasadaoro sinoa eto amintsika ny anarany, ka angatahan’ny Fireneny ny handefasana azy higadra any Chine. Samy sarotiny satria misoloky olona eto Madagasikara sy any Chine ary maneran-tany. « Tsy handeha hanaonao foana amin’ny zavatra misy fiaraha-miasa ara-pitsarana iraisam-pirenena tahaka ireny aho », hoy hatrany ity farany. Nilaza ity farany fa raha hanome baiko dia ny antanan-tohatra ka ny DGAP raha ho an’ny mpandraharahan’ny fonja, ny Procureur général eo anivon’ny Fitsarana tampony na ny Procureur général an’ny Cour d’Appel,… fa tsy mandeha any amin’ny sendika. Milaza ny tenany fa tsy manana fahefana amin’ny resaka voafonja ny sendika, fa fiarovana ny mpiasa, ka nambaran’ity minisitra ity fa fanasoram-potaka no ataon’ny Sekretera Jeneralin’ny sendika. Milaza Rtoa Fanirisoa Ernaivo, fa ny mahatonga ny Sekretera Jeneralin’ny SPAPM hanao an’ireny dia mety « flagrant » loatra ny heloka nataony sy ny Lehiben’ny fonjan’Avaradrano, ka tsy hita intsony ny fomba ialana dia mamoron-dainga sisa satria nandeha ny « inspection » nataon’izy ireo nahafahana nijery ny taratasy rehetra teny anivon’ny fonja. Namoaka ireo taratasy moa ity minisitra ity, ary nilaza fa rehefa natao ny fanadihadiana teny amin’ny seranam-piaramanidina, dia ny 4 tamin’ireo 11 no efa nivoaka an’i Madagasikara. Nambarany, fa mbola misy ahiana ho eto ireo sinoa, ka nahatonga ny famoahana didy fampikarohana ireo 7, misy ahiana mbola any amin’ny faritra. Nambarany fa misy amin’ireo sinoa no matahotra mafy sy tsy manaiky hiverina any Chine noho ny sazy any. Milaza fa tsy tao amin’ny birao ity farany fa nananga-tsaina tany amin’ny fitsarana tampony ny 17 aogositra, teny amin’ny HJRA namangy ireo lasibatry ny raharaha Ambohimalaza,… ka tsy nihaona tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny SPAPM. Milaza ity farany fa nangataka ny hamindrana voafonja 19 teny Avaradrano ny Lehiben’ny Fonjan’Avaradrano, ary tonga dia nanapaka. Namaly ny DAP, fa nametraka fepetra tsy fahazoana mivoaka ny sisin-tany. Nambarany, fa tsy nampidirina tao Antanimora akory. Milaza ity farany fa tsy misy hoe baiko avy amin’ny Minisitra ny taratasy navoakan’i Mohamed. Nambara fa ho tratry ny fanadihadiana avokoa ireo nanao sonia. Ny olona mahazo mamoaka ao dia mahazo taratasy na « LP » na « mise à disposition », na hoentina any amin’ny tribonaly, hoy hatrany ity Minisitra ity. Milaza ity farany, fa navoakan’ny Lehiben’ny Fonjan’Avaradrano ny fonja i Valery Ramonjavelo, Raissa, ary Stéphanie,… ka raha nalana alatsinainy ity farany, dia ny talata no naveriny tao.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

Hijery ny tohiny
FTT