Olona tsara sitrapo no nampandre ireo manam-pahefana teto Toamasina,fa nisy vary lo
nokendrena hodiovina sy hamidy tao amina trano fitehirizana entana iray tao Tanandava ny herinandro lasa teo, hoy ny vaovao avy any an-toerana. Taorian'ny fidinana ifotony sy fanadihadiana natao ,dia fantatra fa vary efa simba, tsy azo amidy na ohanina intsony ireo vary ireo, ka omaly no niroso tamin'ny fandorana izany ny manam-pahefana. 60 taonina no nidorana tao Antsarimasina. Nahitana trano nisy vary lo 450 taonina hafa tao barikadimy, ka ny 30 taonina tamin'io no nidorana omaly ary hotohizana anio. Manara-maso an'io fandorana vary lo io ny Lehiben'ny Fampanoavana eo anivon'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany Atoa Vahiny Ivi Sandro,sy ny Talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana Atsinanana Atoa Belalahy Jean Berkmans , izay samy hentitra nilaza fa tsy azo ekena ny fanaparitahana sakafo simba amidy eny amin'ny tsena. Ny fahasalaman'ny vahoaka dia saro-pady ary tsy maintsy arovana,ka tsy maintsy ampiharina ny sazy ho an'ireo mikasa hanaparitaka vary lo eto amin-tsika, hoy izy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.