Actualités

Toamasina Tsy voatsara ny 70%-n’ireo voafonja


  • Talata 09 Mey 2023

Tsy voatsara ny 70%-n’ireo voafonja ao amin’ny fonjaben’i Toamasina. Misy amin’izy ireo anefa no efa nisazy 15, 20 ary 25 taona hany ka tena mahatsiaro mangirifiry.

Misy ireo efa narian’ny vady aman-janany sy ny fianakaviany mihitsy noho ny vesatra aterak’izany. Ankoatra io resaka fitsarana io dia mitaraina ihany koa ireo voafonja fa mijaly izy ireo amin’ny resaka foto-drafitrasa. Raha manodidina ny 350 eo ho eo mantsy ireo voafonja zakan’ny fonjaben’i Toamasina dia efa tafakatra 1.327 izy ireo no tazonina ao ankehitriny. Ho an’ireo voafonja vehivavy manokana dia mba afaka miaina kely ihany izy ireo saingy maizina ny efitrano noho ny tsy fisian’ny jiro. Ho an’ireo voafonja lehilahy kosa dia zara raha misy hatoriana amin’ny alina, misisika toy ny tsy olombelona intsony koa hanaovan’izy ireo antso avo amin’ny tompon’andraikitra. Raha araka ny vaovao farany azo moa dia efa miroso amin’ny fikarakarana ilay resaka fitsarana ny ministera foibe ankehitriny koa andrasana izay mety ho tohiny.
Pati
Legende : Efa feno tanteraka ny fonjaben’i Toamasina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT