Tsy misy tsy mimenomenona ny mpiarabelona ao Toamasina amin’ny zava-misy iainany isan’andro. Ambara fa “renivohitra ekonomika” i Toamasina
Ny zavatra misy tato ho ato anefa nohamafisin’ny krizy farany teo, dia miara-miteny ny rehetra fa “tsy voafehin’ny filohan’ny delegasionina manokan’ny kaominina (PDS) intsony ny tanàna”. Ao ny tsy fahafehezana ny loton’ny tanàna. Ireo ben’ny tanàna sy ireo PDS nifandimby tao hatramin’izay, afaka niasa tamin’ireo tetibola nisy tao aminy. Ankehitriny anefa maloto ny tanàna, maloto ny tsena rehetra afa-tsy ny ao Bazary be tsy mbola nidirana, tsy voadio tahaka ny taloha ireo arabe ary lasa fanariam-pako hatreny amoron-dranomasina. Ao koa ny tsy fahafehezana ny fidiram-bolan’ny kaominina, izay miteraka fahataran’ny karaman’ny mpiasa sy vola very. Raha ny fahamaroan’ny tsena sy ny mpivarotra anefa tsy tokony hijaly ara-bola ny kaominina. Maro loatra ny gaboraraka sy ny “kolikoly” ataon’ireo “tompon’andraikitra” sy ireo mpiasa misahana izany, dia ny 40%-n’ny hetra ihany no tafiditra, araka ny tatitry ny filankevitra kaominaly sy ny fitsarana ara-bolam-panjakana ao Toamasina, anisan’ny nahatonga ireo polisy kaominaly 03 nenjehin’ny Bianco izany ary mbola mahatonga ny Bianco Toamasina tsy mitsahatra manadihady matetika ny eo anvon’ny kaominina hatramin’izao noho ireo fitarainana voarainy. Ao koa ny fifangaroan’ny andraikitr’ireo “tompon’andraikitra” sy ireo “mpanapa-kevitra”. Tsy hay intsony iza no manao inona sy iza no misahana inona, noho ny resaka “politika” sy “resa-piaviana” ary “resaka ekipa”. Vokany, tsy mandeha ny asa, tsy misy mpanatanteraka ny baiko ary samy manao izay metimety aminy sy hanatsara ny sariny amin’ny fanjakana fotsiny ny rehetra. “Raha izao no mbola iainan’ny vahoaka eto, aza gaga isika raha hilentika tsy azo avotana intsony ny kaominina, ho sahirana izay ben’ny tanàna ho tonga eo, ary ho ratsy ny sarin’ny fanjakana eo anivon’ny vahoaka”, hoy ireo solontenam-bahoaka namarana ny fanazavany nilaza ny heviny momba ny zava-misy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.