Actualités

Toamasina Tsy hita ny takamoa 450, maizina ny tanŕna


  • Talata 09 Martsa 2010

Fampandriana adrisa no betsaka ny an’ny Jirama Toamasina sy ny minisiteran’ny angovo amin’ny famahana ny olana momba ny herinaratra ao Toamasina.

Raha nanao bemidina tany an-toerana ny Minisitry ny angovo sy ny Tale jeneralin’ny Jirama iray volana lasa izay hamaha ny fifanolanana eo anivon’ny orinasa, dia samy nilaza izay fantany ary nanome toky avokoa fa hamaha olan’ny delestazy. Hatramin’izao anefa dia toky fitaka avokoa izany rehetra izany. Tao anatin’ny herinandro izao dia saika isan’andro ny fahatapatapahan’ny herinaratra, in-telo na in’efatra isan’andro no tapaka ny jiro sy ny rano ao Toamasina, mahatratra 20 hatramin’ny 40 minitra izany arakaraka ny fokontany. Mazàna aloha dia ny maraina sy ny misandratr’andro sy antoandro ary ny alina no tena fitrangan’ny fahatapahana. Nisy ihany koa ny toky hanomezan’ny Jirama takamoa miisa 450, hanazavana ny tanàna araka ny toky nataon’ny Minisitry ny angovo sy ny Tale jeneralin’ny Jirama saingy tsy hita popoka ny amin’izany hatramin’izao. Mila ho isan’andro no andrenesana fa mirongatra ary ahenoana vonoan’olona ao Toamasina, ary saika ireo faritra tsy misy jiro sy maizina no tena itrangany.

Mikasika ny fampidirana herinaratra vaovao, dia izay mahitahita sy afaka maneritery ary mahatolotolotra no mahazo ny rariny. Fantatra anefa fa efa mahatratra 3.000 ny fangatahana tonga eo anivon’ny Tale iraisam-paritry ny Jirama Toamasina izao, 300 amin’ireo ihany aloha no fantatra fa homena fahafaham-po, satria izay ny kaontera misy nefa tsy afaka mividy amin’ny toeram-pivarotana hafa ny mpanjifa fa varotra manokan’ny Jirama ny mikasika azy ity. Ankoatra izay dia fantatra izao fa nanome iray volana, ny volana martsa, indray ny Jirama izao amin’ny fametrahana takamoa amin’ireo faritra maizina isam-pokontany sy ny faritra tsy misy jiro nefa be olona mivezivezy. Efa misy ny fidinana eny an-toerana ataon’ny ekipan’ny Jirama Toamasina, ka samy miandry izay indray ny mpanjifa.
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT