TOAMASINA

Tsy azo ilomanosana intsony ny moron-dranomasin’i MIAMI


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2024

Tsy azo ilomanosana intsony eo amoron-dranomasin’ny torapasika vaovao ao Toamasina na MIAMI,

raha ny fampahafantaran’ny kaompanian’ny zandarimaria ao an-toerana ny faran’ny herinandro teo. Maro no antony, hoy ny fanazavana. Efa nalalinina be io sisin-dranomasina io, hoy ny voalaza. Lavaka be no ao amin’izao fotoana izao. Misy "Algues" mety hamatotra anao ihany koa any amin’ny ambany indrindra any na "fond". Nolavahana mihitsy izy io mba hifanaraka ny harofenitra mifandray amin'ny fanitarana ny seranana na «port» Toamasina. Misy antsantsa ihany koa mikendry ireo poti-tsakafo avy anaty sambo. Raha vahiny ianao na olona efa zatra milomano eo dia fadio ny milomano amin'iny morona iny fa hiteraka loza ho anao izany. Maro izay lasa na maty izay. Mino izahay fa tsy te ho anisan'izany ianao. Noho izany, tsy mitsahatra manentana ny zandarimaria miasa amin'ny seranan’i Toamasina fa tsy azo atao intsony ny milomano sy manjono amin'ny sisin-dranomasina manomboka eo amin'ny seranan-tsamboka hatreny amin'ny hôpitaly be. Ny hendry ihany no anarina. Lahitokana ny aina ka aleo misoroka toa izay mitsabo. Hisy ny fepetra ho raisina ho an'ireo izay minia mandika ny toromarika ho fiarovana ny aintsika mianakavy, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny zandarimaria ao an-toerana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT