Voasambotra tany amin’ny fokontany Sambala Toamasina ny biby iray nampitondrain’ny mponina ny anarana hoe Katraboagna.
Io biby io dia voalaza fa mihinana olona, lambo, akoho, alika sy zava-manan’aina hafa ary tena nampihorohoro ny olona tany ambanivohitra tokoa nandritra ny fotoana maharitra. Voalazan’ireo mponina any an-toerana fa efa maro ny olona, alika sy biby hafa voakaikiny ary maro no maty. Misy ny olona voalaza fa voakaikiny dia efa tsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Toamasina amin’izao fotoana. Raha ny fitantaran’ireo olona nahita maso mivantana dia manana vangy mirefy 5 santimetra ity biby mitovy endrika amin’ny alika dia ity ary tena mailaka tokoa rehefa mihaza ny rembiny. Samy manana ny filazany moa ny olona fa alika ihany izy io fa ngeza sy matanjaka kokoa satria miaina anaty ala. Ao kosa ireo milaza fa biby hafa mihitsy izy io fa tsy alika tahaka ny mahazatra. Novonoin’ny olona tao amin’ny fokontanin’i Sambala avy hatrany ilay biby hafahafa. Andrasana izay mety ho tohin’ny fanadihadiana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.