Ny alarobia teo no niakatra fampanoavana sy mpitsara manokana momba ny ady amin’ny kolikoly ireto polisy kaominaly 03 eo anivon’ny kaominin’i Toamasina noho ny fitorian’olona azy ireo teo anivon’ny Bianco Toamasina fa nanao kolikoly nivantana.
Taorian’ny fihainon’ny mpitsara azy 3 mirahalahy ireto, izay anisan’ny tompon’andraikitra voalohany avokoa eo anivon’ny polisy kaominaly, dia nivoaka ny didy ny antoandron’ny alarobia fa miandry fitsarana ao am-ponjan’Ambalatavoahangy izy ireo. Raha ny angom-baovao natao dia resaka fakana vola tamina mpandraharaha entina hanampiana solika ny fiara fampiasan’izy ireo amin’ny fanaraha-maso ataon’ny polisy kaominaly, no nahatonga ity mpandraharaha sy olona nangatahan’izy ireo vola nitory azy ireo ho nanao kolikoly mivantana. Vao voarain’ny Bianco ny raharaha dia niroso ny fanadihadiana samy hafa ka izao niafara teny amin’ny fitsarana taorian’ny tatitry ny Bianco Toamasina izao. Tsy fantatra aloha ny sandan’ny vola nalain’izy ireo, fa araka ny angom-baovao hatrany dia an-tapitrisany izany ho sandan’ny tsy hanelingelenana ity mpandraharaha ity amin’ny asam-barotra ataony amin’ny fanaraha-mason’ny polisy kaominaly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.