Kamiaon’ny tafika iray no saron’ny mpitandro ny filaminana tany Toamasina nitondra olona nikasa ny hiazo an’Antananarivo ny faran’ny herinandro teo raha voarara tanteraka izany noho ny coronavirus.
Teny amin’ny sary masina any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny no nahatrarana io kamiao io. Mpandeha 11 no tao anatiny izay nahitana vehivavy ny 06 sy lehilahy 05. Nandoa saran-dalana 65.000 Ar hatramin’ny 70.000 Ar isan’olona izy ireo raha araka ny fantatra. Nitaky ny hamerenana izany ireto farany noho ny tsy fahalavorarian’ny dia saingy ny ampahany ihany sisa no naverin’ilay mpamily . Na izany aza noteren’ny lehibeny namerina ilay vola rehetra ilay mpamily, izay voalaza fa miaramilan’ny batac tao Arivonimamo taloha. Notazonin’ny mpitandro ny filaminana natao famotorana avy hatrany moa ity farany ary anio no hiakatra fampanoavana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.