Actualités

Toamasina Nitondra olona an-tsokosoko ilay kamiaon'ny miaramila


  • Alatsinainy 11 Mey 2020

Kamiaon’ny miaramila an’ny prezidansa iray no saron’ny mpitandro ny filaminana nitondra olona nikasa ny hiazo an’Antananarivo ny faran’ny herinandro teo raha voarara tanteraka izany noho ny coronavirus.

 

 

 

 

 Teny amin’ny sary masina any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny no nahatrarana io kamiao io. Mpandeha 11 no tao anatiny izay nahitana vehivavy ny 06 sy lehilahy 05. Nandoa saran-dalana 65.000 Ar hatramin’ny 70.000 Ar isan’olona izy ireo raha araka ny fantatra. Nitaky ny hamerenana izany ireto farany noho ny tsy fahalavorarian’ny dia saingy ny ampahany ihany sisa no naverin’ilay mpamily . Na izany aza noteren’ny lehibeny namerina ilay vola rehetra ilay mpamily, izay voalaza fa miaramilan’ny batac tao Arivonimamo taloha. Notazonin’ny mpitandro ny filaminana natao famotorana avy hatrany moa ity farany.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT