Mitombo isa ireo Ray aman-dReny manary zanaka ankehitriny ao Toamasina ao.
Lohalaharana amin’ireny ireo zaza manana fahasembanana ara-batana izay misy sahy manary eo am-bavahadindry masera mpanao asa soa mihitsy. Vao maraimbe no tena hanaovan’ireo Ray aman-dReny izany raha araka ny loharanom-baovao azo. Amin’ny ankapobeny raha araka ny resaka nifanaovana tamina Renim-pianakaviana iray dia vokatry ny fahasahiranana sy ny hasarotan’ny fiainana no antony mahatonga izany. Efa tena hifampitolomana mantsy vao mahita ny hanin-ko hanina isan’andro ny isan-tokantrano nefa mbola olana goavana ihany koa no sedrain’izy ireo manoloana ny fitaizana ireny zaza manana fahasembanana ara-batana ireny. Tafakatra 24 isa noho izany ireo zaza manana fahasembanana ara-batana tezaindry masera ao Toamasina ao. Toraka izany koa ireo zaza sahirana sy tsy manam-piahy izay tafakatra 84 isa ihany koa tato anatin’ny volana vitsy. Taratry ny fahasahiranana lalina mahazo ny Malagasy avokoa izany rehetra izany. Ireo Ray aman-dReny sasany ihany koa etsy an-daniny misy tsy te-handray andraikitra amin’ny fikarakarana sy ny famelomana an-janany intsony noho ny hakamoana sy ny fahitana fa mbola misy ireo mpanao asa soa afaka mandray azy ireny ankoatra ireo efa azony hirahina hangataka eny amoron-dalana hanatsarana ny vola miditra ao an-tokantrano.
Pati
Legende : Lasa manaotao foana tahaka izao ireo ankizy madinika rehefa tsy manam-piahy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.