Toamasina

Miitatra ny olana, mitohy ny delestazy


  • Zoma 22 Martsa 2024

Herinandro taorian’ny olana goavana nisiana delestazy roa andro tao Toamasina

izay nampitroatra vahoaka, namoaka serasera ny Jirama any an-toerana omaly, fa tsy maintsy miroso amin’ny fanapahana herinaratra mifandimby isaky ny adin’ny roa ny Jirama ao Toamasina. Nambara fa olana ara-teknika ny « Câble de liaison » na tariby mampifandray ny tobim-pamokarana herinaratra an’ny ENELEC sy ny TAMATAVE II. Mizara roa , arakaraky ny faritra sy ny tambajotra ampiasainy ny fanapahana herinaratra ka ny iray manomboka amin’ny 9 ora ka hatramin’ny 11 ora maraina ; ny iray hafa kosa manomboka amin’ny 11 ora maraina ka hatramin’ny 1 atoandro. Misy ihany koa any amin’ny faritra sasany ao Toamasina hatrany ny fahatapahan-jiro eo anelanelan’ny amin’ny 1 ora atoandro ka hatramin’ny 3 ora tolakandro. Tsy mbola misy daty mazava hoe rahoviana no mety ho vita ny simba sy ahitam-bahaolana ilay « câble de liaison » misy olana ara-teknika. Mitohy aloha izany ny delestazy ao Toamasina. Ny herinandro lasa teo nambara fa olan’ny famatsiana solika, ary izao indray lazaina fa olana ara-teknika, saingy na inona na inona aloha lazaina fa antony dia potika ny seha-pihariana sy ny toekarena. Toa sasatry ny mitady zavatra holazaina ho anton’ny fahatapahana, saingy ny zavatra mitranga dia efa tena lasa olana manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy io mba tsy hilazana fa olana nasionaly ka anisany ny mety fampihenana 20% ny solika ampiasaina noho tsy fahafahana manao « réquisition ». Tsy Toamasina ihany fa hatry ny ela ny taraina tao Mahajanga, vao telo andro lasa no nitokona nidina an-dalambe ny vahoakan’Amparafarafaravola,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT