Toamasina manoran-dava

Mampitombo ny fikorontanan’ny tanàna


  • Talata 27 Aogositra 2024

Tena ratsy ny toetr’andro ao Toamasina nanomboka ny faran’ny herinandro teo vokatry ny fisian’ny

 rambon’ilay rivo-doza Ancha tany amin’ny ranomasimbe Indiana. Sady mangatsiaka mamirifiry izany no manorana ihany koa, fotoana fohy dia fohy no mba misy andro mipoaka. Tsy mahasakana ny mponina tsy hivezivezy sy hanao ny asany amin’ny andavanandro anefa izany. Toraka izany koa ireo Ray aman-dReny manomana ny fidiran’ny mpianatra izay tena mibosesika tokoa. Tsy misy intsony ny fanajana ny lalana mifehy ny fifamoivoizana raha ny vaovao azo avy any an-toerana fa samy maika ny rehetra. Mpivady nitaingina moto vokatr’izany no nodomina fiara lehibe iray avy aoriana afak’omaly Alahady ka voatery naiditra hopitaly ilay lehilahy. Manaraka fitsaboana ao an-tokantranony kosa ilay vehivavy. Trano miisa 4 tao Ambohijafy Plle 14/32 koa no fantatra fa may kilan’ny afo tamin’io andron’ny Alahady io ihany na dia ratsibe aza ny andro, tranga tena nampanontany tena ny maro. Olona mihoatra ny 20 ireo traboina.
Nangonin’i Pati
Legende : Manoran-dava amin’izao ny andro ao Toamasina ao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT