Actualités

Toamasina Lasa fanariam-pako eny amin’ny “Bord”


  • Alatsinainy 04 Aogositra 2014

Maloto, maimbo ! Izay no azo hanambarana ny faritra maromaro eny amin’ny moron-dranomasina na ny “Bord” ao Toamasina amin’izao fotoana. Ao anatin’ny fotoana fialan-tsasatra anefa, ary tena maro be ny vahiny sy teratany misafidy ny ho any Toamasina.

 Efa manomboka tonga rahateo ireo mpialasasatra ireo taorian’ny fanadinam-panjakana roa efa vita teo. Matahotra anefa ireo trano fandraisam-bahiny ao Toamasina noho ny loton’ny tanànan’i Toamasina, indrindra taorian’ireo orana nifanesy teo aloha teo izay nampiangona ny rano tamin’ny faritra maro ka nifaoka ireo fako maro manamaimbo ny tanàna. Anisan’ireo faritra maloto nefa toerana faran’ny tian’ny mpiala sasatra ny moron-dranomasina, izay ataon’olona fanariana fako sy loto ihany koa ankehitriny nefa tsy misy mpanala. Tsy ireo mpivarotra henjehina lava eny anefa no olana fa ireo mponina manodidina ny moron-dranomasina, satria tsy ambin-kanina no hita fa ireo fako an-dakozia sy fitaovana avy nampiasaina isan-tokantrano. Fitaratra hitarafan’ny mpiala sasatra sy ny vahiny ny tanànan’i Toamasina anefa ny moron-dranomasina, nefa dia izao ivangogoan’ny loto sy fako tsy misy mpanaisotra izao. “Mila mihetsika ny kaominina fa variana loatra na tsy manam-bola aza”, hoy ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka, fa raha tsy izany tsy afaka ny hanampy mihitsy amin’ny fanatsarana ny lalana, fanadiovana tanàna, fanadiovana ny tatatra tahaka ny efa ataony amin’ny kaominina hafa ny minisiteran’ ny asa vaventy. Dia andrasana izany ny hetsiky ny kaominina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT