Actualités

Toamasina In-droa nitrangana haintrano tao anatin’ny andro iray


  • Alatsinainy 31 Aogositra 2020

Trano miisa 56 tafo no ravan’ny afo tao Tanambao Verrerie 21/71 ny harivan’ny sabotsy teo.

 

 

 

Nisy koa haintrano nitranga tao Ambolomadinika io andro io, izay namoizana ain’olona roa sy naharatrana iray hafa. Nianjeran’ny biriky « parpaing » tamin’ny trano may no nahafaty ireto olona ireto. Tranga haintrano fanindroany no niseho tao Toamasina ity tao anatin'ny iray andro. Tonga ara-potoana ny mpamonjy voina avy amin’ny Kaominina na dia sarotra ny fanatanterahana ny asa noho ny fahateren'ny lalana. Mila mitandrina amin'izao vanim-potoana mafana izao. Ilaina kosa ny fanokafana lalana ho an'ny mpamonjy voina eny anivon'ny Fokontany, ary fadiana ny mitangorona rehefa misy haintrano.

 

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT