Toamasina II

Tovovavy 17 taona maty novonoin’ny olon-tiany


  • Alakamisy 14 Desambra 2023

Tovovaly kely iray vao 17 taona monja no nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana

tamin’ny Alahady 04 desambra lasa teo tokony ho tamin'ny 02 ora maraina tao Ampako, fokontany Antsarimasina, koaminina ambanivohitra Fanandrana, distrikan'i Toamasina faharoa. Nandritra ny fotoanan'ny alim-pandihizana iray tao an-toerana no nitrangan'ny loza, raha voafitaka nety nanaiky nanaraka ny sakaizany sy lehilahy roa hafa tany anatina ala ilay tovovavy. Ny alatsinainy 05 desambra folakandro teo no nahitana ny razana izay tsy lavitra ny tanàna. Efa saika simban'ny masoandro ny razana ka olona tany an-toerana sendra nandalo no nahita izany ary nampandre avy hatrany ny fokonolona sy ny Zandarimaria.Lehilahy roa no voatazona avy hatrany tamin'izao raharaha izao ka nanaovana famotorana lalina tao amin'ny Brigade ville Toamasina ary nalefa eny am-ponja vonjimaika. Nandritry ny famotorana dia nihaiky ny heloka vitany ny iray tamin'izy roa raha tsy nahalala na inona na inona kosa ny iray, saingy iray trano fonenana taminy fotsiny. Miisa telo izy ireo no tena niara-nanao ny famonoana ka mbola karohina fatratra ny roa ambiny satria tsy hita popoka taorian'izao asa ratsy izao saingy efa fantatra ny mombamomba azy roa lahy. Raha tsiahivina kely moa ny tantara dia ny iray no nitrobotroboka ny fivavian’ilay tovovavy tamin'ny zava-maranitra. Ny iray nikapoka vato ny lohany, izay nampivaoka ny ampahan'ny atidohany taoriana raha nitazona ny tongony kosa ny iray.
Pati
Legende : Efa simba tahaka izao ilay tovovavy kely !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT